Deoteronomia 2:30 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 30 Fa tsy namela antsika handalo tao amin’ny taniny i Sihona mpanjakan’i Hesbona, satria navelan’i Jehovah Andriamanitrao hikiribiby+ amin’ny heviny sy hanamafy ny fony izy, mba hanolorana azy eo an-tananao toy ny amin’izao andro izao.+ 2 Tantara 10:15 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 15 Koa tsy nohenoin’ny mpanjaka ny vahoaka. I Jehovah Andriamanitra mantsy no nahatonga izany+ mba hanatanterahany ny teny+ nolazainy tamin’i Jeroboama zanak’i Nebata,+ tamin’ny alalan’i Ahia+ Silonita.+ 2 Tantara 22:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Avy tamin’Andriamanitra+ anefa ny loza+ nanjo an’i Ahazia, noho izy nankany amin’i Jorama. Rehefa tonga tany izy, dia niara-nivoaka+ tamin’i Jorama mba hankeny amin’i Jeho+ zafikelin’i Nimsy+ izay nohosoran’i Jehovah+ mba handringana ny ankohonan’i Ahaba.+ Salamo 5:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Homelohin’Andriamanitra tokoa izy ireo,+Ary ny tetika nataony ihany no hahavoa azy.+Aoka hiparitaka izy ireo fa betsaka ny fandikan-dalàna nataony,+Satria nikomy taminao izy.+ Ohabolana 21:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Toy ny lakandrano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka,+ ka aviliny hankany amin’izay itiavany azy.+ Amosa 3:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Raha tsofina ao an-tanàna ny anjombona, tsy hangovitra ve ny olona?+ Raha misy loza ao an-tanàna, tsy i Jehovah ve no nahatonga izany? Romanina 9:18 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 18 Koa izay tiany hamindrana fo àry no amindrany fo,+ ary izay tiany havela ho mafy hatoka no avelany ho mafy hatoka.+
30 Fa tsy namela antsika handalo tao amin’ny taniny i Sihona mpanjakan’i Hesbona, satria navelan’i Jehovah Andriamanitrao hikiribiby+ amin’ny heviny sy hanamafy ny fony izy, mba hanolorana azy eo an-tananao toy ny amin’izao andro izao.+
15 Koa tsy nohenoin’ny mpanjaka ny vahoaka. I Jehovah Andriamanitra mantsy no nahatonga izany+ mba hanatanterahany ny teny+ nolazainy tamin’i Jeroboama zanak’i Nebata,+ tamin’ny alalan’i Ahia+ Silonita.+
7 Avy tamin’Andriamanitra+ anefa ny loza+ nanjo an’i Ahazia, noho izy nankany amin’i Jorama. Rehefa tonga tany izy, dia niara-nivoaka+ tamin’i Jorama mba hankeny amin’i Jeho+ zafikelin’i Nimsy+ izay nohosoran’i Jehovah+ mba handringana ny ankohonan’i Ahaba.+
10 Homelohin’Andriamanitra tokoa izy ireo,+Ary ny tetika nataony ihany no hahavoa azy.+Aoka hiparitaka izy ireo fa betsaka ny fandikan-dalàna nataony,+Satria nikomy taminao izy.+
21 Toy ny lakandrano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka,+ ka aviliny hankany amin’izay itiavany azy.+
6 Raha tsofina ao an-tanàna ny anjombona, tsy hangovitra ve ny olona?+ Raha misy loza ao an-tanàna, tsy i Jehovah ve no nahatonga izany?
18 Koa izay tiany hamindrana fo àry no amindrany fo,+ ary izay tiany havela ho mafy hatoka no avelany ho mafy hatoka.+