31 Aza manao toy izany amin’i Jehovah Andriamanitrao.+ Izay rehetra maharikoriko an’i Jehovah sady halany mantsy no nataon’ireny tamin’ny andriamaniny, fa ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza nodorany tao anaty afo ho an’ny andriamaniny.+
17 Ary nandoro* ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo+ izy ireo, sady nanao sikidy+ sy nitady fambara,+ ary tsy nanan-tsaina afa-tsy+ ny hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mba hampahatezitra+ azy.
20 “‘Dia nalainao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao tamiko,+ ka nataonao sorona ho an’ireny mba ho levona.+ Mbola tsy ampy anao angaha ny fivarotan-tena nataonao?
20 Tsia, nefa lazaiko fa izay zavatra atolotry ny hafa firenena ho sorona dia ataony sorona ho an’ny demonia,+ fa tsy ho an’Andriamanitra. Koa tsy tiako hanan-javatra iombonana amin’ny demonia+ ianareo.