FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 24:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia navoakan’i Nebokadnezara ny zava-tsarobidy rehetra notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka.+ Ary nopotipotehiny ny fitaovana volamena rehetra+ nataon’i Solomona mpanjakan’ny Israely tao amin’ny tempolin’i Jehovah, araka izay nolazain’i Jehovah.

  • 2 Mpanjaka 25:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Nopotipotehin’ny Kaldeanina ireo andry+ varahina teo amin’ny tranon’i Jehovah sy ireo kalesy+ ary ny ranomasina varahina+ izay tao an-tranon’i Jehovah, ka nentin’izy ireo tany Babylona ny varahina tamin’ireny.+

  • 2 Tantara 36:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary nentiny daholo ny fitaovana+ tao an-tranon’Andriamanitra, na lehibe+ na kely, ary koa ny zava-tsarobidy+ notehirizina tao an-tranon’i Jehovah mbamin’ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka+ sy ny andrianany, eny, nentiny tany Babylona daholo izany.

  • Jeremia 27:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 fa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba ny fitaovana sisa tavela ao an-tranon’i Jehovah sy ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda ary eto Jerosalema:+

  • Jeremia 52:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Nopotipotehin’ny Kaldeanina ireo andry+ varahina teo amin’ny tranon’i Jehovah sy ireo kalesy+ ary ny ranomasina+ varahina izay tao an-tranon’i Jehovah, ka nentin’izy ireo tany Babylona ny varahina rehetra tamin’ireny.+

  • Daniela 1:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Tamin’ny farany, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana+ sasany tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. Ary nentin’i Nebokadnezara tany Sinara,+ ho ao an-tranon’andriamaniny ireny, ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara