FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Nanomboka nirehitra ny afom-pahatezerako,+

      Ka hirehitra hatrany amin’ny Fasana,* izay toerana ambany indrindra,+

      Ary handevona ny tany sy ny vokatra eo aminy,+

      Sady hampirehitra ny fototry ny tendrombohitra.+

  • 2 Tantara 36:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nataon’izy ireo ho fihomehezana+ foana anefa ny irak’Andriamanitra, ary nataony tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra,+ sady nesoiny+ ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’i+ Jehovah tamin’ny olony, ka tsy nisy fanafany intsony.+

  • Isaia 33:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Raiki-tahotra+ ny mpanota ao Ziona, ary tora-kovitra ny mpivadi-pinoana,+ ka manao hoe: ‘Iza amintsika no mahajanona eo akaikin’ny afo mandevona?+ Iza amintsika no mahajanona eo akaikin’ny afo miredareda?’+

  • Jeremia 7:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hanampatra ny fahatezerako sy ny fahavinirako amin’ity toerana ity aho,+ sy amin’ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo eny an-tsaha+ ary ny vokatry ny tany. Hirehitra tokoa ny fahatezerako ka tsy hovonoina.’+

  • Jeremia 17:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 “‘“Fa raha tsy mankatò ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro sabata, fa mbola mitondra entana+ miditra amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ihany na sabata aza ny andro, dia handrehitra afo handoroana an’ireo vavahadiny aho+ ka ho levon’ny afo ireo tilikambo fonenana ao Jerosalema.+ Tsy hovonoina izany afo izany.”’”+

  • Ezekiela 20:48
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 48 Dia ho hitan’ny nofo rehetra fa izaho Jehovah no nandrehitra ilay afo, ka tsy hovonoina izany.”’”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara