FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 35:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 “‘Aza mandoto ny tany onenanareo. Mandoto ny tany mantsy ny ra.+ Ary tsy misy fandrakofam-pahotana ho an’ny tany raha misy ra nalatsaka teo aminy, afa-tsy ny ran’izay nandatsaka izany ihany.+

  • Deoteronomia 19:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 mba tsy hisy ran’olona tsy manan-tsiny+ ho latsaka eo amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, ary tsy ho meloka ho nandatsa-dra ianao.+

  • 2 Mpanjaka 21:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary be dia be ny ran’olona tsy manan-tsiny nalatsak’i Manase,+ ka nofenoiny ra i Jerosalema. Izany dia ankoatra ny fahotana izay nataony sy nampanotany ny Joda, ka nahatonga ny Joda hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah.+

  • Salamo 106:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Koa nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo,+

      Dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy,

      Izay nataony sorona ho an’ireo sampin’i Kanana,+

      Ka nanjary naloto ilay tany, noho ny fandatsahan-dra.+

  • Jeremia 2:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Hita teo amin’ny akanjonao ny tasin’ny ran’ireo+ olo-mahantra tsy manan-tsiny.+ Tsy namaky trano izy ireo, nefa teny amin’ny akanjonao no nahitako ny rany.+

  • Jeremia 19:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nahafoy ahy+ mantsy ny vahoaka, ary nataony izay tsy hahafantarana intsony an’ity toerana ity.+ Nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa izy ireo teto, dia andriamanitra tsy fantatr’izy ireo+ sy ny razany ary ny mpanjakan’ny Joda. Ary nataony feno ran’olona tsy manan-tsiny ity toerana ity.+

  • Jeremia 22:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 ‘Ny masonao sy ny fonao kosa tsy mifantoka afa-tsy amin’ny fakana tombony tsy ara-drariny+ sy ny fandatsahana ran’olona tsy manan-tsiny,+ ary amin’ny fanambakana sy ny fakana an-keriny, ka notanterahinao ireo.’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara