FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 21:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary be dia be ny ran’olona tsy manan-tsiny nalatsak’i Manase,+ ka nofenoiny ra i Jerosalema. Izany dia ankoatra ny fahotana izay nataony sy nampanotany ny Joda, ka nahatonga ny Joda hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah.+

  • 2 Mpanjaka 24:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 sy noho ny ran’olona tsy manan-tsiny+ nalatsany, ka nataony feno ran’olona tsy manan-tsiny i Jerosalema. Koa tsy nety namela heloka i Jehovah.+

  • Salamo 106:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Koa nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo,+

      Dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy,

      Izay nataony sorona ho an’ireo sampin’i Kanana,+

      Ka nanjary naloto ilay tany, noho ny fandatsahan-dra.+

  • Isaia 10:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 mba hisakanana ny mahantra tsy ho eo amin’ny fitsarana, sy mba tsy hanomezana rariny an’ireo ory eo amin’ny vahoakako,+ sy mba hakana ny mpitondratena ho babo, ary mba handrobana ny kamboty ray!+

  • Isaia 59:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Mihazakazaka ho amin’ny ratsy ny tongony,+ ary dodona handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy ireo.+ Ny hanao ratsy no ao an-tsainy,+ ary fandrobana sy fandravana no eny amin’ny lalambeny.+

  • Jeremia 19:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nahafoy ahy+ mantsy ny vahoaka, ary nataony izay tsy hahafantarana intsony an’ity toerana ity.+ Nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa izy ireo teto, dia andriamanitra tsy fantatr’izy ireo+ sy ny razany ary ny mpanjakan’ny Joda. Ary nataony feno ran’olona tsy manan-tsiny ity toerana ity.+

  • Matio 23:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Amin’izay dia hanody anareo ny ran’ny olo-marina rehetra nalatsaka teto ambonin’ny tany,+ nanomboka tamin’ny ran’i Abela+ olo-marina+ ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara