14 Ary nataony sesitany+ i Jerosalema manontolo sy ny andriana+ rehetra ary ny lehilahy matanjaka sy mahery fo+ rehetra mbamin’ny mpanao asa tanana+ rehetra sy ny mpanorina manda fiarovana rehetra. Iray alina ny isan’izy rehetra. Tsy nisy navelany afa-tsy ny vahoaka ambany saranga.+
21 Dia namely an’ireo ny mpanjakan’i Babylona,+ ka namono azy ho faty tao Ribla, tany Hamata.+ Koa nesorina tamin’ny taniny ny Joda ka natao sesitany.+
9 Dia nentin’i Nebozaradana+ ho any an-tsesitany any Babylona+ ny vahoaka sisa tao an-tanàna, sy ireo nitsoaka mba hitolo-batana taminy, ary ny vahoaka sisa tavela. Lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka+ io Nebozaradana io.
27 Dia namely an’ireo ny mpanjakan’i Babylona,+ ka namono azy ho faty tao Ribla,+ tany Hamata.+ Koa nesorina tamin’ny taniny ny Joda ka natao sesitany.+