Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanomboka ny 2 May ka hatramin’ny 22 Aogositra 1994. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana ny valin-teny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Ny teny hoe “Seʹlah”, izay miseho in-71 ao amin’ny bokin’ny Salamo, dia tsy ilaina hotononina rehefa vakina. [siF p. 96, fehin. 5]
2. Araka ny Salamo 15:4, raha fantatry ny Kristiana iray fa tsy araka ny Soratra Masina ny zavatra nampanantenainy, dia tokony mbola hitana azy io izy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/12/89 p. 28-29.]
3. Ny bokin’i Joba dia manaporofo fa tsy Andriamanitra no mahatonga ny fijalian’ny olombelona sy ny aretina ary ny fahafatesana. [siF p. 95, fehin. 42]
4. Ny fomba fiainan’i Jesosy dia nanaporofo fa ho afaka nihazona tsy fivadihana tanteraka i Adama raha niriny izany ary koa fa tsy nisy tsininy ny asa famoronan’Andriamanitra. [uwMG p. 52, fehin. 11]
5. Ilay mpanompo nahazo farantsa iray ka nitahiry azy io tao anaty lamba, ary lazalazaina ao amin’ny Lioka 19:20-24 (NW), dia meloka noho ny fanaovany tsirambina. [gtMG toko 100]
6. Amin’ny asa mafy ataony sy ny fifikirany tanteraka amin’Andriamanitra, dia ho afaka hahazo ny zo ho amin’ny fiainana mandrakizay ny Kristiana marina iray. [uwMG p. 36, fehin. 13]
7. Ny 1 Korintiana 2:9 dia miresaka ny amin’ny Paradisa an-tany ho avy. [uwMG p. 26, fehin. 12, 3); jereo ny wMG 15/12/85 p. 30.]
8. Tsy afaka ny hamela ny tenantsika hihevitra ny fitondran-tena mampiseho fivadihana ho toy ny zavatra tsy dia manao ahoana isika, na dia fanao eo amin’izao tontolo izao aza izany. [uwMG p. 52, fehin. 13]
9. Ny Salamo 49:15 dia fanehoana finoana ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/6/89 p. 22, fehin. 13.]
10. Indraindray dia avy amin’ny olona hafa iray milaza ho manompo an’i Jehovah ny fitaomana hanaraka fitondran-tena araka an’izao tontolo izao. [uwMG p. 43, fehin. 11]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Inona no atao hoe salamo? [siF p. 96, fehin. 2]
12. Toky mahatalanjona inona no omen’ny Salamo 27:10 antsika? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/5/92 p. 29, fehin. 17.]
13. Fomba fihevitra diso inona ananan’ireo mpanao ratsy tsy mibebaka moa no asehon’ny Salamo 10:13? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/3/92 p. 6.]
14. Araka ny Eksodosy 9:15, 16, inona no notanterahina tamin’ny fomba nifandraisan’i Jehovah tamin’i Farao? [uwMG p. 57, fehin. 6, 7]
15. Manonòna lafin-javatra roa ahafahana mamakafaka amin’ny fomba mahasoa izay vakintsika ao amin’ny Baiboly. [uwMG p. 27]
16. Inona no hevitr’ilay baiko hoe “manoroha ny Zanaka”, araka ny ambara ao amin’ny Salamo 2:12? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/11/86 p. 20.]
17. Karazana fahafahana inona no noresahin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 8:32? [uwMG p. 40, fehin. 6]
18. Iza no asehon’ilay “vehivavy” ao amin’ny Genesisy 3:15? [uwMG p. 30, fehin. 3]
19. Nahoana i Davida, tao amin’ny Salamo 51:4, no afaka nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Taminao dia taminao ihany no nanotako”, nefa fantany fa fanaovan-dratsy tamin’ny mpiara-belona taminy ny fahotana nataony? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/3/93 p. 11, fehin. 13.]
20. Inona ilay “zavatra maharikoriko mahatonga fahafoanana” tamin’ny taonjato voalohany, ary inona izy io amin’izao andro izao? (Matio 24:15, NW). [gtMG toko 111]
Omeo ny teny na fehezanteny ilaina mba hamenoana ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. Araka ny porofo azo raisina, ny “behemota” resahina ao amin’ny Joba 40:15 dia manondro ny _________________________, ary ny “leviatana” ao amin’ny Joba 41:1 (NW) [40:25, MG, fanamarihana ambany pejy], dia mifanitsy indrindra amin’ny _________________________. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny adF p. 184, 348, 906]
22. Re tokoa ny feon’i Jehovah rehefa _________________________ i Jesosy sy tamin’ny fotoana nisehoan’ny _________________________, ary tamin’ny 10 Nisana taona 33 am.f.i., rehefa nivavaka tamin’ny Rainy izy tao amin’ny _________________________ i Jerosalema. [gtMG toko 104]
23. Nanatantavana _________________________ iray tamin’ny divainy ny Fariseo noho izy io naloto teo amin’ny fombafombam-pivavahana, kanefa tsy nanaja ny rariny sy ny famindram-po ary ny fahatokiana izy ireo, fanaovan-javatra izay azo noharina tamin’ny fitelemana _________________________, izay biby naloto koa teo amin’ny fombafombam-pivavahana. [gtMG toko 109]
24. Koa satria i Satana nampiasa lainga mba hitarihana ny ray aman-drenintsika voalohany tao amin’ny ota, i Jesosy dia nanondro azy ho toy ny “_________________________”. [uwMG p. 53, fehin. 13, 1)]
25. I Jesosy dia Zanaka _________________________ Andriamanitra satria izy irery no hany noforonin’i Jehovah nivantana. [uwMG p. 29, fehin. 1]
Fidio ny valin-teny marina ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Araka ny voasoratra ao amin’ny Joba 42:5 dia nahita an’Andriamanitra i Joba, tamin’ny heviny hoe (nahazo fahitana momba an’Andriamanitra tao amin’ny tafio-drivotra izy; nahita anjely iray niseho teo anoloany; nanjary nahafantatra an’i Jehovah tamin’ny fomba akaiky kokoa izy). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/11/88 p. 12, fehin. 11.]
27. Ilay vehivavy resahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 26:13 dia (i Maria, anabavin’i Lazarosy; i Maria, vadin’i Klopa; i Maria Magdalena). [gtMG toko 101]
28. Ny fanorenana rava, voasoratra ao amin’ny Salamo 11:3, dia miresaka ny amin’ny (fanorenan’ny tempoly tao Jerosalema; i Jesosy Kristy amin’ny maha-Fehizoro Fototra azy; fanorenana iankinan’ny fitambaran’olona, toy ny rariny, ny lalàna, sy ny filaminana). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/11/86 p. 20.]
29. I Jesosy dia niantso ny apostoly (Petera sy Andrea; Filipo sy Bartolomeo; Jakoba sy Jaona) hoe “Zana-baratra” noho ny toetran’izy ireo nirehidrehitra. [gtMG toko 98]
30. Ilay raharaha lehibe napoitran’i Satana rehefa nihaika ny zon’Andriamanitra hanapaka sy ny fomba fanapahany izy, raha ny tena izy, dia nahakasika (ny zon’olombelona; ny raharaha ny amin’ny hoe iza no manan-kery indrindra; ny fiandrianan’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao). [uwMG p. 46, fehin. 1]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voalahatra eto ambany, ireto andinin-teny manaraka ireto:
Gen. 3:1-5; Sal. 24:1; Asa. 8:32-38; Heb. 10:26, 27; 1 Pet. 4:3, 4
31. Ny fanekena fa zavatra noforonin’Andriamanitra ny olona sy ny tany ary koa fa an’i Jehovah ny zava-drehetra dia tokony hanampy antsika hanetry tena sy hankato. [uwMG p. 39, fehin. 4]
32. Tokony hitandrina mafy isika mba tsy ho latsaka ao amin’ny fahazarana hanao na inona na inona fantatsika fa tsy ankasitrahan’i Jehovah. [uwMG p. 33, fehin. 8, 3) sy 8, 4)]
33. Ny fahalalana araka ny marina ny Baiboly sy ny fahatakarana tsara ny hafatra ao anatiny dia manosika ireo olona toy ny ondry hatao batisa. [uwMG p. 32, fehin. 7]
34. Na dia mety hiara-miasa na hiara-mianatra amin’ny tsy mpino aza ianao, dia asehonao fa tsy mifidy azy ireo ho namana ianao, rehefa manalavitra ny fiarahana tsy ilaina rehetra amin’izy ireo. [uwMG p. 44, fehin. 13]
35. Tena zava-dehibe ny hanalavirantsika ny fihevitr’izao tontolo izao izay mitaona ny olona hino fa manaisotra zavatra aminy ny tsy fahafahany manorina ny fari-pitsipiny manokana eo amin’ny fiainana. [uwMG p. 46, fehin. 1]