Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Novambra
Herinandron’ny 7 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manonòna hevitra iray na roa azo resahina avy ao amin’ny tsirairay amin’ireo gazety farany, ka azo ampiasaina eo am-panolorana azy ireo.
18 min: “Ataovy Ahitana Fianarana Kokoa Ireo Fivoriana”. Fandinihana ilay lahatsoratra ataon’ny loholona iray amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Diniho ireo andinin-teny voalaza ao amin’ny lahatsoratra.
17 min: “Omeo ny Fanohananao ny Fitsidihan’ny Mpiandraikitra ny Fizaran-tany”. Lahateny ataon’ny loholona iray.
Herinandron’ny 14 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio ny filazana momba ny toe-bola sy izay fankasitrahana avy amin’ny Fikambanana noho ireo fanomezana natao.
17 min: “Karazana Toe-tsaina Manao Ahoana no Asehonao?” Lahateny. Mampidira fanazavana avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Janoary 1978, pejy 14, fehintsoratra 4 sy 5.
18 min: “Fomba Hanatsarana ny Fitoriantsika Momba Ilay Fanjakana”. Asao ny mpanatrika hitantara fanandraman-javatra hitany izay mampiseho ny nampiasany ireo fanipazan-kevitra natolotra tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ka nahitany vokatra tsara.
Herinandron’ny 21 Novambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Valin’ireo Fanontanianareo. Lahateny. Ataovy mihatra eo an-toerana ilay fanazavana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na lahateny ataon’ny loholona iray, miorina amin’ny hoe “Ankamamio ny Fanompoanao Masina”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1994, pejy 29.
18 min: “Vaovao Momba ny Fanorenana ny Biraon’ny Sampana eto Madagasikara”. Lahateny.
Herinandron’ny 28 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana momba ny fomba sasany hanolorana ireo gazety farany.
17 min: “Fitahiana Entin’ny Fiarahana Miasa Amin’ny Hafa”. Fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ny rehetra mba hanohana ireo fivoriana ho amin’ny asa fitoriana alamin’ny kongregasiona, fa tsy hanao fandaharana manokana mba handehanana irery foana. Ny fiarahana miasa amin’ilay antokona mpitory dia miteraka fitahiana fanampiny sy fanompoana mandaitra kokoa ary fifampaherezana.
18 min: Fanolorana ny Boky Lehilahy Niavaka Mandritra ny Volana Desambra. Ilaina aoka izany io boky io. Olona an-jato tapitrisany maro no milaza ho mpanara-dia an’i Jesosy sy mihambo ho mino izay nampianariny. Ny olona dia mila ny mahafantatra izay nampiavaka azy tamin’ny lehilahy hafa rehetra — miankina amin’izany ny famonjena azy ireo. Hoy ny ambaran’ny boky Lehilahy Niavaka ao amin’ny toko faha-133: “Voatohina ny fontsika rehefa mandinika ny herim-pony sy ny fahasahiany maha-te-hidera isika, ny fahendreny tsy manan-tsahala, ny fahaizany fatratra tamin’ny naha-mpampianatra, ny fitarihany tsy tamin-tahotra ary ny fangoraham-pony feno fitiavana sy ny fahaizany nipetraka teo amin’ny toeran’ny hafa.” Ny Baiboly dia mampahafantatra mazava tsara azy ho 1) Vavolombelona, (Jaona 18:37, NW), sy 2) Mpamonjy, (Asa. 4:12), ary 3) Mpanjaka, (Apok. 11:15). Asao ny mpitory mahay iray hampiseho fomba fanolorana iray ampiasana ny iray amin’ireo hevitra ireo. Ampirisiho ny rehetra handray anjara amin’ny fizarana io boky io mandritra ny volana Desambra.