Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 13 Febroary
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ ny fanoloran-kevitra eo amin’ ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary sy ny Mifohaza! Janoary. Ataovy fitoriana eny amin’ny toerana falehan’ny olona ny fampisehoana iray.
10 min: Miara-mandeha Amin’ny Fandaminan’i Jehovah ve Ianao? Lahateny miorina amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 7-10.
25 min: “Sariho ny Sain’ny Olona ho Amin’ilay ‘Fahazavan’izao Tontolo Izao’ ”a Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Lazao ny anaran’ireo nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy. Resaho ireo fivoriana alohan’ny fanompoana fanampiny. Miresaha fanazavana avy ao amin’ny Fandaharam-potoana ho an’ny mpisava lalana mpanampy, eo amin’ny pejy 5 amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 2005.
Herinandron’ny 20 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7.
15 min: “Mitadiava Fomba Hitoriana.”b Manasà mpitory iray ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra hitantara ny fomba nahafahany nitory.
20 min: “Mpanampy Mora Azo Indrindra.”c Ataon’ny anti-panahy. Miresaha fanazavana avy ao amin’ny Valin’ny Fanontanianareo, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1998 sy Novambra 2000.
Herinandron’ny 27 Febroary
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana an’ireo fanomezana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Febroary. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary sy ny Mifohaza! Febroary.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
25 min: Fomba Fanolorana ny Boky Ampianarina. Hametraka an’io boky vaovao io isika amin’ny Martsa. Ampiasao ny fanoloran-kevitra ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2006, pejy 3-6, ka jereo indray izay fomba fampiseho sasantsasany mety amin’ny faritaninareo, ary anaovy fampisehoana. Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra niavaka hitany rehefa nampiasa an’io boky vaovao io, indrindra tamin’ireo fampianarana Baiboly vao natomboka.
Herinandron’ny 6 Martsa
10 min: Fampandrenesana. Mora entina sy manintona ny taratasy mivalona, ka tsara hanombohan-dresaka rehefa mitory isan-trano, sy mitory eny amin’ny toerana falehan’ny olona ary mitory tsy ara-potoana. Ataovy fampisehoana ny fomba hanombohan-dresaka rehefa mampiasa ilay taratasy mivalona vaovao hoe Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra! Asongadino ny iray amin’ireo andinin-teny voasoratra eo amin’ny pejy 2 amin’ilay taratasy mivalona.
15 min: “Aoka Ianao Hiahy ny Olona, ka Manomàna Tsara.”d Asio fampisehoana fohy iray: Mpitory roa manomana ny fomba hanolorana ny boky Ampianarina. Mifantina fomba fampiseho iray avy ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2006 izy ireo, ary miresaka ny fomba hanaovany izany amin’ny fiteniny manokana sy mampifanaraka izany amin’ny faritaniny. Mifarana ilay fampisehoana rehefa handeha hamerina ny fomba fampiseho izy ireo.
20 min: “Ampio ny Zanakao Handray Soa Betsaka Kokoa Amin’ny Fivoriana.”e Ataon’ny anti-panahy. Asio fampisehoana iray maharitra 5 minitra. Ray sy reny miara-midinika amin’ny zanany kely ireo hevitra eo amin’ny fehintsoratra 5.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika.
e Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika.