FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/06 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 13 Martsa
  • Herinandron’ny 20 Martsa
  • Herinandron’ny 27 Martsa
  • Herinandron’ny 3 Aprily
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 3/06 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 13 Martsa

Hira 41, Hira 134

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary sy ny Mifohaza! Febroary. Eo am-pamaranana, dia ampiasain’ireo mpitory ny taratasy fanasana, mba hanasana an’ilay olona hanatrika ny Fahatsiarovana.

15 min: “Ampio ny Hafa Handray Soa avy Amin’ny Vidim-panavotana.”a Hodinihina amin’ilay anjara aorian’ity ny fomba azo ampiasana ny boky Ampianarina, pejy 206-208, rehefa hanasa olona hanatrika ny Fahatsiarovana.

20 min: Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny Fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Ampianarina, pejy 206-208. Manaova modelina fampidiran-dresaka iray minitra toy izao: Vakina ny fehintsoratra voalohany, ary asaina ilay olona mba hanatrika ny Fahatsiarovana. Asao avy eo ny mpanatrika hamaly ireto fanontaniana ireto, nefa tsy hovakina ny fehintsoratra: (feh. 2) Oviana i Jesosy no nanomboka ny Fahatsiarovana ny nahafatesany? (feh. 3) Impiry isan-taona no tokony hankalazaina ny Sakafo Harivan’ny Tompo? (feh. 4) Ahoana no ilazan’ny Baiboly ny fizotran’ny fankalazana ny Fahatsiarovana? (feh. 5) Ahoana no ahalalantsika fa tsy novan’i Jesosy ho tena nofony sy rany, ilay mofo sy divay? (feh. 6) Inona no mifanitsy amin’ilay mofo tsy misy lalivay? (feh. 7) Inona no mifanitsy amin’ilay divay mena? (feh. 8) Iza ihany no tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divay? (feh. 9) Rahoviana no ankalazaina ny Fahatsiarovana isan-taona, ary nahoana isika no tokony hanatrika? Hazavao ireo andininy manasongadina ny hevi-dehibe, raha ampy ny fotoana. Ampirisiho ny rehetra handinika ireo fanazavana ireo, miaraka amin’ny mpianatra Baiboly sy ny olon-kafa hasaina ho amin’ny Fahatsiarovana. Tokony hovakin’izy ireo ny fehintsoratra ary hohazavaina ny hevi-dehibe. Fanontaniana tsotra toy ny etsy ambony no tokony hampiasaina.

Herinandron’ny 20 Martsa

Hira 18, Hira 103

10 min: Fampandrenesana. Resaho ireo hevi-dehibe ao amin’ilay efajoro hoe “Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana.”

23 min: Ny Anjara Asan’i Kristy ao Amin’ny Fikasan’Andriamanitra. Lahateny miorina amin’ny Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 10-13. Rehefa manazava an’ireo fehintsoratra roa voalohany eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Inona no anjara asan’i Kristy?”, dia asehoy ny fomba azo ampiasana ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana, ary manaova fampisehoana. Tsy tokony hihoatra ny efatra minitra izany. Resaho vetivety ireo fanoloran-kevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 2006, pejy 3, fehintsoratra 3.

12 min: Mampahery Antsika ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny sasin-tenin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2006. Manaova fampisehoana misy fianakaviana iray mandinika ny andinin-teny anio sy ny fanazavana.

Herinandron’ny 27 Martsa

Hira 44, Hira 170

15 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Martsa. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana an’ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa sy ny Mifohaza! Martsa. Asehoy ny fomba ampiasana ny taratasy fanasana, rehefa hanasa ny olona liana hanatrika ny Fahatsiarovana.

10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

20 min: Fitantarana. Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra nampahery hitany, rehefa nanolotra ny boky Ampianarina izy ireo tamin’ny Martsa. Resaho raha nisy fampianarana Baiboly natomboka. Azo atao fampisehoana ny zavatra niavaka iray na roa.

Herinandron’ny 3 Aprily

Hira 199, Hira 93

15 min: Fampandrenesana. Resaho vetivety ilay lahatsoratra hoe “Ankamamio ny Fianarana Ilay Boky Ampianarina”, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 2006, pejy 6. Resaho koa ny fandaharam-pianarana an’io boky io. Asehoy ny fomba ampiasana ny taratasy fanasana, rehefa hanasa ny olona liana hanatrika ny Fahatsiarovana.

10 min: Mbola Manan-jo Hitondra An’izao Tontolo Izao ve Andriamanitra? Lahateny sy fampisehoana. Mitadiava fomba isan-karazany hanasana olona hanatrika ilay lahateny manokana hoe “Mbola Manan-jo Hitondra An’izao Tontolo Izao ve Andriamanitra? Asao ny mpianatrao rehetra sy ny mpianakaviny tsy mianatra Baiboly. Tokony hasaina koa ny olona liana rehetra sy izay itoriantsika. Fampisehoana: Asaina hanatrika ilay lahateny manokana ny olona iray tsy mitory na tsy mivory intsony. (Mety ho azo ampiasaina Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2006, pejy 32.)

20 min: “Ampianaro Handeha Amin’ny Lalan’Andriamanitra ny Mpandefitra.”b Miresaha hevitra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2004, pejy 16, fehintsoratra 9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara