FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 17:55
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 55 Tamin’i Saoly nahita an’i Davida nivoaka hifanandrina tamin’ilay Filistinina, dia hoy izy tamin’i Abnera,+ lehiben’ny tafika: “Zanak’iza+ iny zazalahy iny,+ ry Abnera?” Dia hoy i Abnera: “Mianiana aminao aho, ry mpanjaka, fa tsy fantatro mihitsy!”

  • 1 Samoela 20:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Mbola nianiana+ koa anefa i Davida hoe: “Tsy maintsy efa fantatry ny rainao fa nahazo sitraka taminao aho,+ ka hilaza izy hoe: ‘Aoka tsy ho fantatr’i Jonatana izany, sao halahelo izy.’ Raha mbola velona koa anefa i Jehovah,+ ary raha mbola velon’aina koa ianao,+ dia tsoriko aminao fa zara raha misy indray mandingana sisa no manelanelana ahy amin’ny fahafatesana!”+

  • 2 Samoela 11:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia hoy i Oria taminy: “Ny Vata+ sy ny Israely ary ny Joda dia samy mipetraka anaty trano rantsankazo, ary i Joaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko+ koa mitoby eny an-tsaha, dia izaho kosa ve hody any an-tranoko mba hihinana sy hisotro ary hanao firaisana amin’ny vadiko?+ Raha mbola velona koa ianao, eny, raha mbola velon’aina koa,+ dia tsy hanao izany aho!”

  • 2 Mpanjaka 2:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary hoy i Elia tamin’i Elisa: “Mijanòna eto, azafady, fa nirahin’i Jehovah ho any Betela aho.” Hoy anefa i Elisa: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ ary raha mbola velon’aina koa ianao,+ dia tsy handao anao aho.”+ Koa nidina nankany Betela izy roa lahy.+

  • 2 Mpanjaka 4:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Dia hoy ny renin’ilay zazalahy: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ ary raha mbola velon’aina koa ianao,+ dia tsy hiala aminao mihitsy aho.”+ Koa nitsangana ralehilahy, ary lasa niaraka taminy.

  • Mpitoriteny 9:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy,+ fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,+ sady tsy mahazo valin-kasasarana intsony, satria hadino izay nahatsiarovana azy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara