FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 18:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary nahazo an’i Saoly ilay fikorontanan-tsaina* avy amin’Andriamanitra+ ny ampitson’iny,+ ka nanao hoatran’ny mpaminany izy+ tao an-trano. Teo am-pitendrena zavamaneno i Davida tamin’izay,+ toy ny tamin’ny andro teo aloha. Ary teny an-tanan’i Saoly ny lefona.+

  • 1 Samoela 19:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ary nahazo an’i Saoly ilay fikorontanan-tsaina* avy amin’i Jehovah+ raha mbola nipetraka tao an-tranony izy, ary teny an-tanany ny lefony. I Davida kosa tamin’izay teo am-pitendrena zavamaneno.

  • 1 Samoela 22:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary ren’i Saoly fa nisy nahita i Davida sy ny olona niaraka taminy. Nipetraka teo ambanin’ilay hazo tamariska+ teny amin’ny toerana avo tany Gibea i Saoly tamin’izay. Ary teny an-tanany ny lefony+ sady teo aminy ny mpanompony rehetra.

  • 1 Samoela 26:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia nalain’i Davida teo akaikin’ny lohan’i Saoly ilay lefona sy ilay tavoara fasiana rano, ary lasa nandeha ry zareo. Ary tsy nisy nahita+ na nahatsikaritra na nifoha, fa natory daholo izy ireo satria nataon’i Jehovah renoky ny torimaso lalina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara