15 “‘Aza manao ny tsy rariny rehefa mitsara. Aza momba ny mahantra satria hoe mahantra izy,+ nefa aza iangarana koa ny manankarena.+ Tokony ho ara-drariny no hitsaranao ny namanao.
18 “Mametraha mpitsara+ sy mpiadidy+ ho anao eo amin’ny vavahadinao, ao amin’izay tanàna rehetra omen’i Jehovah Andriamanitrao anao araka ny fokonao. Ary hitsara ny olona araka ny rariny ireo.
12 Ry taranak’i Davida+ ô, izao no nolazain’i Jehovah: “Aoka ho didim-pitsarana ara-drariny foana no havoakanareo+ isa-maraina,+ ary afaho eo an-tanan’izay nanambaka azy ilay nambakaina,+ sao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako+ ka hiredareda nefa tsy hisy hamono.+ Ratsy mantsy ny nataonareo.”’
7 Na ny ray na ny reny dia samy atao tsinontsinona eo aminao.+ Ambakaina ny vahiny monina eo aminao,+ ary ampijalina ny kamboty ray sy ny mpitondratena.”’”+
29 Ary na ny vahoaka* aza nanao tetika hanambakana,+ sy naka an-keriny fananan’olona.+ Nampijaliny ny ory sy ny mahantra,+ ary nambakainy sy nanaovany ny tsy rariny ny vahiny nonina teo aminy.’+
2 Mitsiriritra saha izy, ka maka izany an-keriny,+ ary mitsiriritra trano koa ka maka izany. Manambaka lehilahy tomady mbamin’ny ankohonany izy,+ eny, manambaka lehilahy ka maka ny lovany.+
9 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mitsarà araka ny rariny sy ny hitsiny.+ Aoka ianareo hifaneho hatsaram-panahy feno fitiavana,+ sy hifaneho famindram-po.+