18 Dia nalain’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, i Seraia+ lehiben’ny mpisorona, sy Zefania+ mpisorona lefitra. Naka olona telo mpiandry varavarana koa izy.+
3 Nirahin’i Zedekia Mpanjaka ho any amin’i Jeremia mpaminany i Jehokala+ zanak’i Selemia sy Zefania+ zanak’i Mahaseia+ mpisorona, mba hilaza hoe: “Mba mivavaha re amin’i Jehovah Andriamanitsika ho anay e!”+
24 Dia nalain’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, i Seraia+ lehiben’ny mpisorona, sy Zefania+ mpisorona lefitra, ary ny olona telo mpiandry varavarana.+