JOELA
1 Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Joela* zanak’i Petoela:
2 “Henoy ny teniko, ry anti-panahy,
Ary mihainoa ahy ianareo mponina rehetra eto amin’ity tany ity.
Mba efa nisy hoatr’izao ve tamin’ny andronareo,
Na tamin’ny andron’ny razambenareo?+
3 Tantarao amin’ny zanakareo izao,
Dia ny zanakareo indray asaivo mitantara amin’ny zanany,
Ary ny zanany kosa hitantara amin’ny taranaka any aoriana.
4 Izay sisa tsy lanin’ny valala mpandravarava dia nohanin’ny andiam-balala mifanaretsaka,+
Ary izay tsy lanin’ilay andiam-balala mifanaretsaka, dia nohanin’ny zana-balala mbola tsy ary elatra,
Ary izay tsy lanin’ny zana-balala kosa naripaky ny valala mirangorango.+
5 Mifohaza ianareo mamo lava,+ dia mitomania!
Ary midradradradrà daholo ianareo mpisotro divay,
Satria tsy hisy divay mamy ho anareo intsony.+
6 Fa misy firenena miakatra hamely ny taniko, firenena mahery sy be mponina.+
Hoatran’ny nifin’ny liona ny nifiny,+ ary hoatran’ny valanoranon’ny liona ny valanoranony.
7 Nopotipotehiny ny voaloboko, ary ny fototry ny aviaviko sisa no navelany.
Nendahany tanteraka ny hoditr’ireo, ary nariany avy eo,
Ary navelany ho fotsy hatramin’ny rantsany.
8 Midradradradrà hoatran’ny virjiny* mitafy lamba gony
Noho izy malahelo an’ilay lehilahy saika hanambady azy.*
9 Fa tsy misy mitondra fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ intsony ao an-tranon’i Jehovah,
Ka malahelo be ny mpisorona mpanompon’i Jehovah.
10 Potika tanteraka ny vokatra eny an-tsaha, ary misaona ny tany,+
Fa tsy misy varimbazaha intsony, sady ritra ny divay vaovao, ary lany ny menaka.+
11 Kivy ny mpamboly, ary midradradradra ny mpikarakara tanimboaloboka,
Satria tsy misy ny varimbazaha sy ny vary orza,
Fa simba ny vokatra eny an-tsaha.
12 Maina ny voaloboka,
Ary malazo ny aviavy.
Maina daholo koa ny hazo eny an-tsaha,+
Dia ny ampongabendanitra sy ny palmie ary ny paoma.
Tsy falifaly intsony ny olona fa lasa menatra.
13 Mitafia lamba gony* ary ataovy hita hoe misaona* ianareo, ry mpisorona.
Midradradradrà ianareo manompo eo anoloan’ny alitara.+
Midira ka manaova akanjo gony mandritra ny alina, ry mpanompon’ny Andriamanitro.
Fa tsy misy mitondra fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ intsony ao an-tranon’ny Andriamanitrareo.
14 Asaivo mifady hanina ny olona,* dia lazao hoe hisy fivoriambe makotrokotroka.+
Vorio ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrareo+ ny anti-panahy sy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity,
Ary miantsoa vonjy amin’i Jehovah.
15 Loza fa ho avy ilay andro!
Fa efa akaiky ny andron’i Jehovah,+
Ary ho avy hoatran’ny fandringanan’ilay Mahery Indrindra izany!
16 Tsy efa tapitra tsy misy intsony ve ny sakafo,
Ary tsy misy olona mifalifaly intsony ao an-tranon’ilay Andriamanitsika?
17 Simba eo ambany lapelina ny aviavy maina.*
Tsy misy na inona na inona ny trano fitehirizam-bokatra,
Ary noravana ny sompitra satria simba ny varimbazaha.
18 Na ny biby fiompy aza mitaraindraina!
Mirenireny tsy mahita haleha intsony ny andian’omby, satria tsy mahita ahi-maitso,
Ary mijaly koa ny andian’ondry.
19 Ianao no hantsoiko, Jehovah ô!+
Fa kilan’ny afo ny ahitra eny an-kijana,
Ary main’ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.
20 Na ny bibidia koa aza manantena hoe hanampy azy ianao,
Satria ritra ny rano mandeha,
Ary kilan’ny afo ny ahitra eny an-kijana.”
2 “Tsofy ao Ziona ny anjombona,+
Ary manaova hiakan’ady eo amin’ny tendrombohitro masina.
Aoka hangovitra ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity,
Fa ho avy ny andron’i Jehovah+ sady efa akaiky!
2 Andro faran’izay maizina izany,+
Andro mandrahona sy maizim-pito,+
Ary toy ny hazavana vao mangiran-dratsy mandrakotra tendrombohitra.
Misy firenena mahery sady be mponina,+
Ary mbola tsy nisy firenena hoatr’azy hatramin’izay,
Sady tsy hisy intsony any aoriana,
Hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.
3 Afo mandevona no eo alohany,
Ary lelafo mandoro kosa no ao aorianany.+
Hoatran’ny zaridainan’i Edena+ ny tany eo alohany,
Fa tany efitra kosa no ao aorianany,
Ka tsy misy afaka mandositra azy.
4 Hoatran’ny soavaly no fahitana azy ireo,
Ary mihazakazaka toy ny soavaly fitondra miady+ izy ireo.
5 Mitsambikimbikina eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo, hoatran’ny kalesy mirodorodo,+
Sady hoatran’ny lelafo mirefodrefotra mandevona vodivary,
Ary toy ny firenena mahery efa milahatra hiady.+
6 Hitebiteby ireo firenena satria matahotra azy,
Ka ho boramena be ny tarehin’izy ireny.
7 Manafika toy ny lehilahy mpiady izy ireo,
Ary mianika manda hoatran’ny miaramila.
Samy mandroso izy,
Ka tsy misy mivilivily miala amin’ny lalany.
8 Tsy mifanosika izy ireo,
Fa samy mandeha mandroso foana.
Raha misy aza voatifitry ny zana-tsipìka* ka mianjera,
Dia tsy miala an-daharana ny hafa.
9 Mirohotra haingana mankao an-tanàna izy ireo, ary mihazakazaka eny ambony manda.
Mianika trano izy, ary miditra eo am-baravarankely hoatran’ny mpangalatra.
10 Rehefa manatona izy ireo, dia mihovotrovotra ny tany ary mihozongozona ny lanitra.
Lasa maizina ny masoandro sy ny volana,+
Ary tsy mamirapiratra intsony ny kintana.
11 Hiantsoantso mafy eo alohan’ny tafiny+ i Jehovah, satria be dia be ny miaramilany.+
Manatanteraka ny teniny mantsy Andriamanitra, ary mahery izy.
Fa lehibe ny andron’i Jehovah sady tena mampahatahotra,+
Ka iza no mahatanty an’izany?”+
12 “Mbola tsy tara anefa izao fa miverena amiko amin’ny fonareo manontolo”,+ hoy i Jehovah,
“Ka mifadia hanina+ sy mitomania mafy ary miantsoantsoa.
13 Ary ny fonareo rovitina,+ fa tsy ny akanjonareo,+
Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo.
Fa mangoraka* sy mamindra fo izy, tsy mora tezitra,+ ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.+
Hiova hevitra* izy ka tsy handefa loza indray.
14 Iza moa no mahalala raha mba tsy ho tezitra intsony izy fa hiova hevitra*+ tokoa,
Dia hitahy anareo?
Dia amin’izay ianareo ho afaka hanolotra fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ho an’i Jehovah Andriamanitrareo.
15 Tsofy ao Ziona ny anjombona!
Asaivo mifady hanina ny olona,* dia lazao hoe hisy fivoriambe makotrokotroka.+
16 Vorio ny vahoaka ary hamasino ny fiangonana.+
Vorio ny lehilahy be taona* sy ny ankizy ary ny zaza minono.+
Asaivo mivoaka avy ao amin’ny efitranony ny mpampaka-bady, ary avy ao amin’ny efitranony koa ilay ampakarina.
17 Aoka hitomany eo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara+
Ny mpisorona mpanompon’i Jehovah, ka hilaza hoe:
‘Iantrao ny vahoakanao, Jehovah ô,
Ary aza avela hesoesoin’ny olona ny lovanao
Ka hanjakan’ny firenen-kafa.
Nahoana ny firenena no hilaza hoe: “Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”’+
19 Dia hiteny amin’ny vahoakany i Jehovah hoe:
‘Homeko varimbazaha sy divay vaovao ary menaka ianareo,
Ka ho voky be.+
Ary tsy havelako hisy hanala baraka anareo intsony any amin’ireo firenena.+
20 Halefako lavitra be anareo ilay avy any avaratra,
Ka haparitako any amin’ny faritra maina sy ngazana tsy misy mponina.
Dia horoahiko ho any amin’ny ranomasina atsinanana* ny loha laharany,*
Ary ho any amin’ny ranomasina andrefana* ny vodilaharany.
21 Aza matahotra, ry tany,
Ary mifalia sy miravoravoa, fa hanao zavatra miavaka i Jehovah.
22 Aza matahotra, ry bibidia,
Fa ho lasa maitso indray ny ahitra eny an-kijana,+
Ary hisy voany ny hazo.+
Hamokatra be koa ny aviavy sy ny voaloboka.+
23 Mifalia sy miravoravoa noho izay hataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo,+ ry zanak’i Ziona,
Fa hanome anareo oram-pararano* ampy tsara izy,
Ary handatsaka oram-be aminareo,
24 Ho feno varimbazaha ny famoloana,
Ary hihoatra an’ireo fanantazana azy ny ranom-boaloboka* sy ny menaka.+
25 Honerako izay nafoinareo nandritra ny taona maro,
Dia ny vokatra naripaky ny andiam-balala mifanaretsaka sy ny zana-balala mbola tsy ary elatra sy ny valala mirangorango ary ny valala mpandravarava,
Izany hoe ilay tafiko lehibe+ nalefako hamely anareo.
26 Ary hihinana ianareo ka ho voky,+
Dia hidera ny anaran’i Jehovah Andriamanitrareo,+
Izay nanao fahagagana be dia be ho anareo.
Ary tsy hatao afa-baraka intsony ny vahoakako.+
27 Dia ho fantatrareo fa eo amin’ny Israely aho,+
Ary izaho no Jehovah Andriamanitrareo,+ fa tsy misy ankoatra ahy.
Tsy hatao afa-baraka intsony ny vahoakako.
28 Aorian’izany, dia handatsahako ny fanahiko+ ny karazan’olona rehetra,
Ka ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy haminany,
Ny lehilahy zokiolona eo aminareo hanonofy,
Ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana.+
29 Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko aza
Dia handatsahako ny fanahiko, amin’izany andro izany.
30 Ary hanao fahagagana* eny amin’ny lanitra sy eny ambonin’ny tany aho,
Dia ra sy afo ary setroka miakatra.+
31 Ho maizina ny masoandro ary ho mena toy ny ra ny volana,+
Alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.+
32 Ary izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.+
Fa araka ny efa nolazain’i Jehovah, dia eo amin’ny Tendrombohitra Ziona sy ao Jerosalema no hisy an’ireo afa-mandositra,+
Izany hoe ireo tafavoaka velona, izay antsoin’i Jehovah.”
3 “Fa amin’izany andro sy fotoana izany,
Rehefa ampodiko izay babo amin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+
2 Dia hangoniko koa ny firenena rehetra,
Eo no hitsarako azy ireo,+
Noho izay nataony tamin’ny Israely vahoakako sy lovako.
Naparitany tany amin’ireo firenena mantsy izy ireo,
Ary nifampizarany koa ny taniko.+
3 Nataony antsapaka ny vahoakako.+
Ny zazalahy namidiny mba hanakaramany mpivaro-tena,
Ary ny zazavavy namidiny mba hahazoana divay hosotroina.
4 Dia sahinareo ve ny manao an’izany amiko,
Ry Tyro sy Sidona, sy ry faritr’i Filistia rehetra?
Te hamaly faty ahy angaha ianareo?
5 Nalainareo mantsy ny volafotsiko sy ny volamenako,+
Ary nentinareo tao amin’ny tempolinareo ny harenako sarobidy indrindra.
6 Namidinareo tamin’ny Grika ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+
Amin’izay izy ireo ho lasa lavitra ny tanindrazany.
7 Dia hampirisihiko hiala any amin’ny toerana nivarotana azy izy ireo,+
Ary izay nataonareo ihany no havaliko aminareo.
8 Hamidiko amin’ny mponin’i Joda ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy,+
Ka hamidiny amin’ireo lehilahy any Sheba, any amin’ny firenena lavitra be.
Fa izaho Jehovah no efa niteny.
9 Lazao any amin’ireo firenena izao:+
‘Miomàna hiady!* Entano ny lehilahy matanjaka!
Asaivo manatona daholo ny miaramila, dia asaivo mandroso!+
10 Tefeo ho sabatra ny angadinombinareo, ary tefeo ho lefona ny antsy fandrantsananareo voaloboka.
Aoka ny reraka hiteny hoe: “Matanjaka aho.”
11 Tongava hifanampy, ry firenena rehetra manodidina, ka mivoria.’”+
Jehovah ô, ampidino ho eny amin’izany toerana izany ny miaramilanao mahery!
12 “Entano hankeny amin’ny Lohasahan’i* Josafata ireo firenena,
Fa eo aho no hipetraka hitsara ny firenena rehetra manodidina.+
13 Arosoy ny antsy fijinjana, fa masaka ny vokatra.
Midìna dia hitsakitsaho ny voaloboka, fa feno be ny lavaka fanitsakitsahana azy.+
Efa mihoatra ny fanantazana azy ny ranom-boaloboka, satria vao mainka manao ratsy ireo firenena.
14 Vahoaka be, vahoaka be no eo amin’ny lohasahan’ny* didim-pitsarana,
Fa ho avy tsy ho ela eo amin’ny lohasahan’ny* didim-pitsarana ny andron’i Jehovah.+
15 Ho lasa maizina ny masoandro sy ny volana,
Ary tsy hamirapiratra intsony ny kintana.
16 Hierona hoatran’ny liona avy ao Ziona i Jehovah,
Ary hiantsoantso avy ao Jerosalema izy.
Hihozongozona ny lanitra sy ny tany,
Nefa ho fialofan’ny vahoakany i Jehovah,+
Sady ho fiarovana mafy ho an’ny vahoakan’Israely.
17 Dia ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo izay mipetraka ao Ziona, tendrombohitro masina.+
18 Amin’izany andro izany, dia hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra,+
Hisy ronono hikoriana eny amin’ny havoana,
Ary hisy rano hikoriana eny amin’ny renirano rehetra any Joda.
19 Fa i Ejipta kosa tsy hisy mponina intsony,+
Ary i Edoma ho lasa tany karakaina.+
Nahery setra tamin’ny mponin’i Joda mantsy izy ireo,+
Sady nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny tany Joda.+
20 Fa i Joda kosa hisy mponina foana,
Ary i Jerosalema hisy mponina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+
21 Hoheveriko ho tsy manan-tsiny izy ireo,* na dia nanan-tsiny aza ny fahitako azy taloha.+
Ary izaho Jehovah dia hipetraka ao Ziona.”+
Midika hoe “I Jehovah no Andriamanitra.”
Na: “ankizivavy.”
Na: “an’ilay vadin’ny fahatanorany.”
Abt: “Misikìna.”
Na: “ary aoka hikapo-tratra.”
Na: “Manokàna fotoana masina hifadian-kanina.”
Na mety hoe “ny voa.”
Na: “fitaovam-piadiana.”
Na: “tsara fanahy.”
Na: “Hanenina.”
Na: “hanenina.”
Abt: “Manokàna fotoana masina hifadian-kanina.”
Na: “ny anti-panahy.”
Na: “hafana fo ho an’ny.”
Izany hoe ny Ranomasina Maty.
Abt: “ny tavany.”
Izany hoe ny Ranomasina Mediterane.
Orana manomboka eo antenatenan’ny Oktobra any Israely. Jereo F.F. B15.
Orana manomboka eo antenatenan’ny Aprily any Israely. Jereo F.F. B15.
Abt: “divay vaovao.”
Na: “hanisy fambara.”
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Midika hoe “I Jehovah no Mpitsara.”
Abt: “eo an-dohanareo.”
Na: “Hamasino hiady ny tenanareo!”
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Na: “lemaka ivan’ny.”
Na: “lemaka ivan’ny.”
Na: “hafa firenena.”
Na: “Lalan-driakan’ny.”
Abt: “ny ran’izy ireo.”