FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 20:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Tsy maintsy vonoina ho faty izay manolotra ny taranany ho an’i Moleka,+ na anisan’ny zanak’Israely izy, na vahiny monina eo amin’ny Israely. Hitora-bato azy ho faty ny vahoaka.

  • Deoteronomia 18:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mandoro* ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo,+ na manao sikidy,+ na mampiasa herin’ny maizina,+ na mitady fambara,+ na mpilalao ody,+

  • 2 Mpanjaka 23:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary nozimbazimbain’i Josia i Tofeta,+ izay eo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma,+ mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony, ka tsy hisy handoro* ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo+ ho an’i Moleka intsony eo.+

  • 2 Tantara 28:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Nanolotra setroka ho sorona+ teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ koa izy, ary nandoro ny zanany tao anaty afo.+ Zava-maharikoriko+ fanaon’ireo firenena noroahin’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely izany nataony izany.+

  • 2 Tantara 33:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary nandoro* ny zanany tao anaty afo+ teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ izy, sady nampiasa herin’ny maizina+ sy nanao sikidy+ sy nilalao ody,+ ary nampiasa mpamoha angatra+ sy mpilaza ny hoavy.+ Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy mba hampahatezitra azy, ary be tokoa ny ratsy vitany.+

  • Salamo 106:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Nataony sorona ho an’ny demonia+ ny zanany lahy

      Sy ny zanany vavy.+

  • Isaia 57:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 ary manaitra filana eny akaikin’ireo hazobe+ sy eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra,+ sady manao sorona ankizy any amin’ny lohasaha falehan-driaka, eny anelanelan’ny harambato?+

  • Jeremia 7:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta+ izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo,+ nefa tsy nandidy azy hanao izany aho ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+

  • Ezekiela 16:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “‘Dia nalainao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao tamiko,+ ka nataonao sorona ho an’ireny mba ho levona.+ Mbola tsy ampy anao angaha ny fivarotan-tena nataonao?

  • Ezekiela 23:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Nanitsakitsa-bady+ mantsy izy roa vavy, ary misy ra eo amin’ny tanany.+ Nanitsakitsa-bady izy rehefa nanompo an’ireo sampiny maharikoriko.+ Tsy vitan’izany fa nodorany tao anaty afo ho sakafon’ireny sampy ireny koa ny zanany naterany tamiko.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara