FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 18:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “‘Aza misy atokana*+ ho an’i Moleka+ ny taranakao. Aza zimbazimbaina+ amin’izany fomba izany ny anaran’Andriamanitrao. Izaho no Jehovah.+

  • 2 Mpanjaka 16:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely kosa izy,+ ka nandoro* ny zanany tao anaty afo.+ Zava-maharikoriko+ fanaon’ireo firenena noroahin’i Jehovah noho ny amin’ny zanak’Israely, izany nataony izany.

  • 2 Mpanjaka 17:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nandoro* ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo+ izy ireo, sady nanao sikidy+ sy nitady fambara,+ ary tsy nanan-tsaina afa-tsy+ ny hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mba hampahatezitra+ azy.

  • 2 Mpanjaka 21:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary nandoro* ny zanany tao anaty afo izy,+ sady nampiasa herin’ny maizina+ sy nitady fambara ary nampiasa mpamoha angatra+ sy mpilaza ny hoavy.+ Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy mba hampahatezitra azy, ary be tokoa ny ratsy vitany.

  • 2 Tantara 28:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Nanolotra setroka ho sorona+ teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ koa izy, ary nandoro ny zanany tao anaty afo.+ Zava-maharikoriko+ fanaon’ireo firenena noroahin’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely izany nataony izany.+

  • 2 Tantara 33:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary nandoro* ny zanany tao anaty afo+ teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ izy, sady nampiasa herin’ny maizina+ sy nanao sikidy+ sy nilalao ody,+ ary nampiasa mpamoha angatra+ sy mpilaza ny hoavy.+ Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy mba hampahatezitra azy, ary be tokoa ny ratsy vitany.+

  • Jeremia 7:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta+ izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo,+ nefa tsy nandidy azy hanao izany aho ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+

  • Jeremia 19:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala koa izy ireo mba handoroany ny zanany amin’ny afo, ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Bala,+ nefa tsy nandidy azy hanao izany aho na nilaza izany taminy,+ ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.”’+

  • Jeremia 32:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala,+ ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma,+ koa izy ireo mba handoroana* ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo,+ ho an’i Moleka.+ Tsy nandidy azy hanao izany anefa aho+ ary tsy tao an-tsaiko* akory aza ny hanao izany zava-maharikoriko izany.+ Nanao izany izy ireo mba hahatonga ny Joda hanota.’+

  • Ezekiela 16:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “‘Dia nalainao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao tamiko,+ ka nataonao sorona ho an’ireny mba ho levona.+ Mbola tsy ampy anao angaha ny fivarotan-tena nataonao?

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara