Jaona
3 Nisy lehilahy iray anisan’ny Fariseo. Nikodemosy+ no anarany ary mpitondra teo amin’ny Jiosy izy. 2 Tonga tao amin’i Jesosy izy rehefa alina,+ ka nanao hoe: “Raby+ ô, fantatray fa mpampianatra+ avy amin’Andriamanitra ianao,+ satria tsy misy mahavita ireny famantarana+ nataonao ireny raha tsy Andriamanitra no momba azy.”+ 3 Dia namaly i Jesosy hoe:+ “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra+ ny olona raha tsy ateraka indray.”+ 4 Hoy i Nikodemosy: “Hataon’ny olona ahoana indray no hateraka rehefa antitra izy? Fa angaha moa izy afaka miditra indray ao an-kibon-dreniny mba hateraka?” 5 Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraky ny rano+ sy ny fanahy.+ 6 Izay nateraky ny nofo dia nofo, ary izay nateraky ny fanahy dia fanahy.+ 7 Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray+ ianareo. 8 Mitsoka any amin’izay tiany ny rivotra,*+ ary renao ny feony, saingy tsy fantatrao hoe avy aiza izy, na ho aiza. Dia toy izany koa izay rehetra ateraky ny fanahy.”+
9 Hoy ny navalin’i Nikodemosy: “Hatao ahoana no hahatonga izany?” 10 Hoy i Jesosy: “Mpampianatra ny Israely ianao, ka ahoana no tsy ahalalanao izany?+ 11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa izay fantatray no lazainay ary izay efa hitanay no ambaranay,+ fa ianareo kosa tsy nandray ny fanambaranay.+ 12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo nefa tsy inoanareo, ahoana moa no hinoanareo raha ny zavatra any an-danitra no lazaiko aminareo?+ 13 Ankoatra izany, dia tsy nisy niakatra tany an-danitra+ afa-tsy ilay nidina avy any,+ dia ny Zanak’olona.+ 14 Tahaka ny nanandratan’i Mosesy an’ilay bibilava+ tany an-tany efitra no tsy maintsy anandratana koa ny Zanak’olona,+ 15 mba hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy.+
16 “Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra+ an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana+ mba tsy ho ringana+ izay rehetra maneho finoana+ azy, fa hanana fiainana mandrakizay.+ 17 Tsy ny hanameloka+ an’izao tontolo izao no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany ho amin’izao tontolo izao, fa ny hamonjy+ izao tontolo izao kosa amin’ny alalany. 18 Tsy homelohina izay maneho finoana ny Zanaka,+ fa izay tsy maneho finoana azy kosa dia efa voaheloka, satria tsy naneho finoana ny anaran’ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra.+ 19 Izao no fototry ny fanamelohana: Tonga teo amin’izao tontolo izao ny mazava,+ saingy naleon’ny olona ny haizina toy izay ny mazava,+ satria ratsy ny ataony. 20 Fa izay zatra manao ratsy+ dia mankahala ny mazava, sady tsy manatona ny mazava sao hibaribary ny ataony.+ 21 Izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava+ mba haseho izay ataony, ka ho hita fa natao araka ny sitrapon’Andriamanitra izany.”
22 Nankany amin’ny faritr’i Jodia i Jesosy sy ny mpianany taorian’izany, ary nijanona kelikely tany niaraka tamin’ny mpianany izy, sady nanao batisa.+ 23 I Jaona+ koa anefa nanao batisa tao Ainona akaikin’i Saleima, satria nisy rano+ be tao, ary tonga foana ny olona ka natao batisa.+ 24 Mbola tsy naiditra am-ponja i Jaona tamin’izay.+
25 Nitarika adihevitra tamin’ny Jiosy iray momba ny fidiovana,+ ny mpianatr’i Jaona. 26 Tonga teo amin’i Jaona àry izy ireo ka nanao hoe: “Raby ô, hitanao moa ilay lehilahy niaraka taminao teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana iny, dia ilay nambaranao iny?+ Manao batisa izy ary mankany aminy daholo ny olona.”+ 27 Hoy ny navalin’i Jaona: “Tsy misy afaka mahazo na inona na inona, raha tsy nomena azy avy tany an-danitra izany.+ 28 Ianareo mihitsy no vavolombelona fa efa nilaza aho hoe: ‘Tsy izaho no Kristy,+ fa nirahina hialoha azy+ fotsiny aho.’ 29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra.+ Na izany aza, dia faly be ny naman’ny mpampakatra rehefa mitsangana ka mandre ny feon’ny mpampakatra. Ary efa feno ankehitriny izany fifaliako izany.+ 30 Tsy maintsy mitombo iny olona iny, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”
31 Izay avy any ambony dia ambonin’ny hafa rehetra.+ Izay avy amin’ny tany dia avy amin’ny tany, ary milaza zavatry ny tany.+ Izay avy any an-danitra dia ambonin’ny hafa rehetra.+ 32 Izay hitany sy reny no ambarany,+ nefa tsy misy manaiky ny fanambarany.+ 33 Izay nanaiky ny fanambarany dia nanisy tombo-kase manambara fa marina Andriamanitra.+ 34 Milaza ny tenin’Andriamanitra ilay nirahiny,+ satria tsy mba kahihitra+ Andriamanitra rehefa manome ny fanahiny. 35 Ny Ray tia+ ny Zanaka ka nomeny ho eo am-pelatanany ny zava-drehetra.+ 36 Izay maneho finoana+ ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay.+ Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana,+ fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.+